Fampandrosoana: Mandrafitra ny 98% ny toekarena ny orinasa madinika

Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny toekarena ny sehatry ny fandraharahana. Miteraka asa sy mampidi-bola izy ary mitarika amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Manome lanja ny vehivavy sy ny tanora mpandraharaha ny fikambanan’ny orinasa malagasy (Fom). Anatin’ny fanamafisana ny fahaiza-mitantana ny orinasa madinika izy ireo mba hisitrahan’ireo mpikambana fampiofanana sy famatsiam-bola avy amin’ny banky sy mpiara-miombon’antoka lehibe. Tanjona ny ahafahan’ireo orinasa mivelatra sy manatsara hatrany ny tolotra. Nambaran’ireo mpikambana rahateo fa avy amin’ny orinasa madinika ny 98% ny toekarena eto Madagasikara. Noho izany, vonona hiara-kisalahy amin’ny fanjakana ny Fom amin’ny fampiroboroboana ny indostria sy hampiakarana ny harinkarena eto amin’ny firenena. «Misy ny fitaovana sy rafitra mazava ho fanohanana ny orinasa madinika sy salantsalany izay tafiditra tanteraka ao anatin’ny paikady nasionaly amin’ny fampiroboroboana ny indostria», hoy ny minisitra Ralambofiringa David, nandritra ny fihaonan’ny roa tonta.

Miara-mientana
Manampy amin’ny fanorenana paikady maharitra ny antotanisa. Ilaina, araka izany, ny fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny fambolena sy ny indostria, ny varotra, ny famokarana sakafo ary ireo koja­koja ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Ireto farany izay mifameno amin’ny sehatrasa sy fiharian’ireo mpikambana ao amin’ny Fom.
Ankoatra izay, nanentana sahady ireo mpikambana ny minisitra handray anjara amin’ny Herinandron’ny fampiroboroboana ny indostria atao amin’ny faran’ny volana jolay eto amintsika. Fotoana iray ahafahan’ireo mpikambana mampiseho ny fahaiza-manaon’ireo mpandraharaha manoloana ireo firenena 16 anatin’ny Sadc.

Henintsoa Hani

Partager sur: