Fanafihana mitam-piadiana : Jiolahy 4 voasambotry ny polisy tetsy Alasora

Jiolahy efatra voasambotry ny polisy teny amin’ny faritra Alasora sy Ambohimanambola mahakasika ny fanafihana mitam-piadiana. Anisan’ny efa mpamerin-keloka avokoa ny ankamaroan’izy ireo.

Jiolahy efatra voasambotry ny polisy avy ao amin’ny CSP Alasora noho ny ra­haraha fanafihana mitam-piadiana teny Alasora sy ny ma­nodidina, afakomaly hariva. Tra-tehaka teo am-panomanana fanafihana vaovao sy hafa indray izy rehetra ireo, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena. Tratra teny Mahitsy Alasora ny roa tamin’izy ireo, afakomaly. Raha toa ka tratra tetsy Ambo­­­hi­­manambola kosa ny roa hafa, omaly. Anisan’ny efa mpa­merin-keloka sy efa avy nigadra manodidina ny indroa avokoa izy rehetra ireo, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisy. Misy tamin’izy ireo no efa nigadra teny Anta­nimo­ra sy teny Tsiafahy, indrindra ny lehiben’ireo andian-jiolahy ireo, raha ny tatitra voaray hatrany. Tao­rian’ny fanadihadiana natao, nihaiky fa nanao ny fanafihana mitam-piadiana avokoa ireo olon-dratsy ireo. Tsiahi­vina fa nitrangana fanafihana mpivaro-kena tetsy Ma­hitsy Alasora ny harivan’ny 22 febroary lasa teo. Jiolahy ni­rongo fitaovam-piadiana no nanao ny fanafihana tamin’io. Lasan’ny jiolahy avokoa ny vola matin’ilay mpivarotra ta­min’izay. Tonga nitory teny anivon’ny polisy ireo niharam-boina. Natomboka ny fanadihadiana mba hahafahana misambotra ireo olon-dratsy.

Azo nandritra ny fifanjevoana

Mifindrafindra toerana hatrany ireo jiolahy rehefa avy manao ny asa ratsiny, raha ny angom-baovao voarain’ny polisy. Nohamifisina ny paikady ary tratra teo am-panomanana fanafihana hafa indray ireo dahalo ireo, ny 5 marsa 2025 hariva teo. Nandositra avy hatrany ireo jiolahy rehefa nahita ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny roa tonta. Vokany, voasambotry ny polisy nandritra izany ireto jiolahy ireto. Anisan’ny mampihorohoro ny mponina eny an-toerana ny fa­hamaroan’ny fanafihana mitam-piadiana ataon’ny jiolahy. Ahitana izany avokoa na andro atoandro na andro alina. Marihina fa efa nahatratra dimy ny fitoriana nataon’olona teny anivon’ny kaomisaria Alasora mahakasika ny fa­nafihana mitam-piadiana.

Mino

Partager sur: