Havaozina ny drafi-paritra fitantanana ny loza sy ny tandinon-doza mba hananana drafitra maty paika mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena, araka ny atrikasa natao tany Sava, omaly. Nambaran’ny eo anivon’ny BNGRC, Andriatsimiala Sariaka, fa tanjona ny ahafahana manamafy ny fahaiza-miatriky ny solontenam-panjakana any ifotony amin’izany.
Hanamarika ny Andron’ny vehivavy 8 marsa koa ireo vehivavy Tim, Analamanga. Hotanterahina etsy amin’ny foiben’ny antoko, Bel Air izany, ny sabotsy izao. Nentanin’ny mpitarika ho tonga maro ireo mpikambana ary hanao fanamiana mitovy. Hiakanjo fotsy raha matroka kosa ny ambany.
Manamafy hatrany ny depiote “Del kely” tao amin’ny fandaharany “Miara-manonja” fa tokony ho mpitarika ny fivondronamben’ny mpanohitra ny avy amin’ny antoko Tim. “Efa mazava fa manana ny maro anisa amin’ny olom-boafidy sy maro mpikambana eny ifotony io antoko io ka rariny raha mitarika ny hetsiky ny fanoherana”, hoy izy.
Tanjon’ny fikaonandoha nataon’ny Holafitry ny mpisolovava teny Anosy, omaly, ny hanavaozana sy hanatsarana ny lalàna mifehy ny asa maha mpisolovava. Natao izany mba hifanaraka amin’ny fivoaran’ ny fiarahamonina sy ny teknolojia. “Misokatra amin’ny fifanakalozan-kevitra rehetra takin’ny fanatsarana ny asan’ny mpisolovava izany”, hoy izy ireo.