Nandray ny masoivohon’i Tiorkia miasa sy monina eto Madagasikara, Ishak Ebrar Çubukçu, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, afakomaly, teny Ampahibe. Nivoitra tamin’ny fihaonana fa efa nahazo tombony tamin’ ny fampiofanana tany Tiorkia ny Tafika Malagasy. Nisongadina tamin’ny lahadiniky ny roa tonta nandritra ny fihaonana rahateo ny hanatsarana ny fifandraisana sy hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Tiorkia, indrindra ny fanohizana ny fifampizarana traikefa eo amin’izany sehatra ara-tafika izany. “Tsy vao izao fa efa nisy hatrany ny fanohanan’ny firenena Tiorkia ny Tafika Malagasy. Maro ireo Tafika Malagasy no efa nandranto fiofanana tany an-toerana izay midika fa vonona hifanome tanana amintsika izy ireo”, hoy ny fanazavan’ny MDN. Nohararaotin’ity manamboninahitra ity koa ny raharaha Ankatso. Nohitsiny fa tsy fanarahan-dalàna izany fiantsoana ny tafika rosianina ho avy eto amintsika izany. “Tsy fanarahan-dalàna izany ary tsy fanajana ny vahoaka malagasy, tsy fanajana ny fiandrianam-pirenena indrindra fa ny Tafika Malagasy”, hoy izy. Mahaleo tena i Madagasikara ka tsy hidiran’iza na iza. Ao anatin’ny fanomanana ny Lalaon’ny Nosy isika izao, miantso ny rehetra fa voninahitra ho antsika ny fahavitan’izany. Ajanony ny adilahy politika sy fijerena loko politika, araka ny nambarany. Manao izay ho afany ny mpitandro filaminana amin’ny fametrahana fandriampahalemana na an-drenivohitra izany na ambanivohitra.
Jean Claude