Filoha Rajoelina Andry: “Hamboarina manontolo ny lalana Tanà-Mahajanga”

Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra natao tany Mahajanga ny momba ireo fanamboarana fotodrafitrasa samihafa. Eo koa ny fijerena ny sosialim-bahoaka.

“Hamboarina manontolo ny lalam-pirenena faha-4 miainga any Antananarivo hatraty Ma­hajanga”, hoy ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny filankevitry ny minisitra, tany Mahajanga, omaly. Nam­ba­rany koa ny fisokafan’ny sisintanin’i Madagasikara amin’ny Nosy Kaomoro eo amin’ny fitaterana olona sy entana. Hirosoana amin’ny fanamboarana ny lalana eto an-tampon-tanàn’i Mahajanga. Miaraka amin’ny fanadiovana sy fanatsarana ny tanàna. “Hovitaina mialoha ny fitokanana ny gymnase lehibe vaovao eto Mahajanga avokoa ireo asa ireo ary hanova endrika ity tanàna ity”, hoy izy.
Natsidiky ny filoha koa ny hanorenana tanàna vaovao miaraka amin’ny trano fonenana amin’ny vidiny mirary. Haorina ao Amborovy izany. “Eo koa ny fametrahana Parc solaire hanafoanana na hampihenena ny delestazy, indrindra ny amin’ny andro atoandro. Hatsaraina ny seranan-tsambo eto Mahajanga”, hoy ny filoha. Manampy ireo ny fampidirana rano fisotro eo an-tanàna sy ny manodidina.
Depiote mpanohitra

Tsiahivina fa anisan’ny niatrika izany filankevitry ny minisitra izany sady namaly ny hetahetany ny depiote mpanohitra, Afakandro Christian. Nambarany fa imasoana ny hahasoa an’i Mahajanga izao ary nangatahany mba indroa isan-taona ny hanaovana izany any an-toerana. “Tsy mbola tanteraka ny tena fitsinjaram-pahefana ka tombony izao filankevitry ny minisitra mitety faritra izao, ahafahanay manatona ireo tomponandraikitra voalohany. Mba ho moramora kokoa ny fifandraisana ary manakaiky vahoaka izao sady ahafahana mitondra ireo hetaheta sy olana samihafa ety ifotony”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: