“Mafonja” : Omena tantsoroka ireo voafonja

Nitohy ny fanofanana ireo mpiantsehatra amin’ny tontolon’ ny famonjana anatin’ny tetikasa “Mafonja”, izay tohanan’ny Vondrona eoropeanina ary tanterahin’ny fikambanana Humanité et inclusion eto Madagasikara. Ny taona 2024, nifototra tamin’ny fanofanana ny mpisehatra mivantana ny asa momba ny tantsoroka sosialy ho an’ny voafonja sy ny famerenana ny ankizy nanao heloka eny anivon’ny fiarahamonina aorian’ny sazy.
Nanatanteraka fivoriana tany Toliara hanombanana ny asa rehetra vita nandritra ny fanofanana natao ny ekipan’ny HI. Novelabelarina nandritra ny fihaonana ny olana hitan’ny HI sy ny mpiantsehatra rehefa mitondra ny tantsoroka ho an’ny voafonja aorian’ny famitana ny sazy ka hiatrika indray ny fiarahamonina sy ny fianakaviana. Manana anjara toerana amin’ny fanamorana ny fiverenan’ny olona nahavita ny saziny eny anivon’ny fianakaviana ny mpiantsehatra mivantana eny amin’ny fonja tsirairay. Ilaina koa ny mametraka foibe na ivontoerana misahana manokana ny fampiatiana sy ny fahasembanana hametrahana izany eny ifotony.

Vonjy

Partager sur: