Nahoraka tato anatin’ny andro vitsy ny mahakasika ny fizakan-tenan’ny vehivavy eto Madagasikara. Mazava ho azy, fa noho ny fankalazana ny andron’ny 8 marsa, natokana hiadiavana ny zon’ny vehivavy izany. Mirongatra sy mipoipoitra avokoa ny karazana tetikasa hoenti-manohana ny zatovovavy sy ny renim-pianakaviana. Samy milaza ho mpanohana an’izany na mpiara-miasa amin’izaroa.
Sady filana fototry ny vehivavy izany no zava-dehibe ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Hataon’ ny firenena ahoana tokoa no hivoatra sy hiavotra raha tsy misy ny mpitarika. Mila olona na fikambanana, eny hatramin’ny mpamatsy vola hanetsiketsika izy ireny vao afaka mampiseho ny fahafahany hizaka-tena izany.
Iaraha-mahalala ny hodidina misy eto Madagasikara, indrindra ho an’ny vehivavy. Mirongatra sy mahazo vahana tanteraka ny sakantsakana tsy ahafahana mahazo ilay fahafahana mizaka tena. Olana iray goavana ny lafiny kolontsaina sy ny fomba amam-panao. Manginy fotsiny ny olana ara-bola sy toekarena. Sahirana amin’ny lafiny maro ilay firenena hany ka izay marefo no lasibatra voalohany. Mazava ho azy fa anisan’izany ny vehivavy.
Ny maha velombolo aloha ho antsika, eto Madagasikara dia ny finiavana any anatin’ny vehivavy tsirairay no efa mifoha. Maro ny fomba nahazatra, noheverina fa tsy ahafahana mivoatra no efa tapaka sy rava. Maro ny sahy mijoro, manohitra ny tsy rariny ao an-tokantrano amin’izao fotoana izao. Betsaka no mahasahy mijoro, miala amin’ny zioga tsy ahafahana mihary.
Tsy sanatriavin’ny vava hoe akohovavy maneno, fa mba mahavita mamadika ny fanaka malemy ho fanoitra ho an’ny fivoaran’ny tokantrano. Maro ny vehivavy mivoatse sy miavotse ho an’ny hoavin’ny taranany na ho amin’ny filaminan’ny tokantranony, ankehitriny.
r.r