Minisiteran’ny Fitsarana: “Tsy misy sarany ny famangiana voafonja”

Fanamafisana, fampaha­tsiahivana… Ao anatin’ny ady amin’ny kolikoly. “Tsy misy sarany ny famangiana ireo voafonja manerana an’i Mada­gasikara izay ahitana karazany roa. Ny famangiana ho an’ny olona tsy mbola voatsara, ary ny famangiana ireo efa voatsara”. Io ny fampahafantaran’ny minisiteran’ny Fitsa­rana tamin’ny tranonkalam-pifandraisana, omaly. Tsy maintsy manana ny fahazoana kosa ireo maniry hanao izany. Voatsiahy amin’izany ireo andinin-dalàna mamaritra izay. Eo, ohatra, ny hoe: ny mpitsara miandraikitra ny antontan-taratasin’ady no manome ny fahazoan-dalana hamangy voafonja miandry fitsarana. Ny lehiben’ny fonja kosa no ho an’ireo voafonja vita fitsarana. Noho ny antony miankina amin’ny fandriampahalemana sy filaminan’ny fonja, azon’ny lehiben’ny fonja atao ny mandà ny fanomezan-dalana hamangy.
Ao anaty efitrano voatokana no hiresahana ary misy elanelana manasaraka ny mpamangy sy ny vangiana. Na izany aza, azon’ny lehiben’ny fonja atao ny manome alalana famangiana mifanatrika mivantana raha tsy manohintohina ny filaminan’ny fonja izany. Atrehina mpandraharaha iray na maromaro ny toerana firesahana. Tokony ho afa-kahaheno ny resaka hifana­kalozana ao izy. Voafaritry ny fitsipika anatin’ny fonja ny andro sy ny ora famangiana. Farafa­hakeliny 15 minitra ny faharetany. Na ireo miandry fitsarana na ireo efa voatsara, azo vangiana indroa isan-kerinandro farafahakeliny. Afa-mihaona amin’ny voafonja miandry fitsarana arovany ny mpisolovava rehefa avy mampiseho fahazoan-dalana. Afa-mihaona malalaka amin’ny olona arovany anaty toerana manokana ny mpisolovava, tsy atrehina mpiambina izany.

R. Nd.

Partager sur: