Tetikasa 5 novolavolain’ny vehivavy tanora : Notoloran-dRajoelina Mialy 50 tapitrisa Ar isanisany

Notanterahina omaly, tao amin’ny Complexe sportif Mahajanga, ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa “Zatovovavy miavotra sy mivoatra”. Tetikasan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, iarahana amin’ ny tetikasa Fihariana sy ny Unicef, UNFPA, Unesco ary ny fikambanana Fitia.

Maro ny hetsika voarafitra amin’ny fandaharanasa toy ny fifaninanana ho an’ny tetikasan’ny zatovovavy mpandraharaha, fampahafantarana vahaolana vao­vao sy maoderina ho an’ny fahasalaman’ny vehivavy. Eo koa ny fifampizarana momba ny fiarovana ny tontolo iainana, fifanohanana amin’ireo vehivavy mpandraharaha maro. Tafiditra amin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany momba ny zon’ny vehivavy ny hetsika natao omaly. « Fanomanana sahady ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonamben’ny tanora afrikanina eto an-toerana, ny volana novambra izao ny fifampizarana natao ho an’ny zatovovavy tao Mahajanga nandritra ny hateloana », hoy ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Marson Moustapha Abdulah nandritra ny lahateniny.
2 500 ny zatovovavy amin’ ny faritra 23 no nanaraka ny fifampizarana nandritra ny hateloana tao Mahajanga. Anisan’ny zavatra nampiofanina ireo tanora ny mahakasika ny fandraharahana izay fitaovana mampivoatra ny sehatra tsy miakina sy ny vehivavy malagasy. Misy vehivavy avy amin’ny faritra 23 namolavola tetikasa manokana ho fampivoarana ny tanora sy ny zatovovavy. Notontosaina omaly koa ny dingana famaranana fifaninanana ho an’ny tetikasa dimy. Telo ireo nisongadina ka notolorana loka avokoa. Avy ao Analamanga, Sava ireo telo voalohany. Fano­dinana ny moringa ho lasa menaka, fanamboarana « jeu de société » vita malagasy, ary famolavolana arina fandrehitra avy amin’ny voanio ireo tetikasa telo voasafidy. « Mino aho fa nisy zavatra niova tao anatinareo ka nahazo fahatokisan-tena lehibe ianareo taorian’ny fampiofanana ary handray an-tanana ny hoavinareo », hoy ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy. Nanolotra vola 50 tapitrisa Ar ho an’ny tetikasa dimy niatrika ny famaranana izy satria mendrika ny hotohanana ny tanora malagasy.

Vonjy

Partager sur: