Transparency International – IM: “Mbola vitsy ny vehivavy mpisehatra politika”

Nampahatsiahy ny eo anivon’ny Transparency International Initiative Madagasikara (TI-IM) fa higadona afaka andro vitsy ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy.

Nambaran’izy ireo fa marobe ireo sakana ho an’ny vehivavy eo amin’ny fandraisana andraikitra ara-politika. “Mbola vitsy anisa izy ireo eo amin’izany sehatra izany. 27 % monja ny tahan’izy ireo maneran-tany”, hoy ny TI-IM. Anisan’ny manamafy izany tsy fitoviana izany ny ko­likoly amin’ny famatsiam-bola ara-politika, araka ny nambaran’izy ireo hatrany. “Manano­sarotra ny fahazoan’izy ireo loharanom-bola sady mampiroborobo ny tambajotra misy fitanilana ho an’ny lehilahy”, hoy izy ireo. Nanterin’ny TI-IM fa vitsy kokoa ny vehivavy voa­fidy noho ny fifaninanana politika tsy ara-drariny any amin’ireo firenena ahitana kolikoly avo lenta na mamatsy vola ny antoko politika aza ny 70 % amin’ireny firenena ireny. “Mbola ny 17 % ihany anefa no manokana izany ho an’ny vehivavy, ka manakana ny fandraisany anjara feno amin’ny politika”, hoy ihany ny TI-IM.

Fanontaniana ho an’ny rehetra…
Notsindrin’izy ireo fa maro anisa ny vehivavy ka miantoka ny fanapahan-kevitra ny fisiany amin’ny sehatra politika ary maneho tsara kokoa ny filana sy ny ahiahin’ny fiarahamonina manontolo. Nanon­tany ireo rehetra afaka mamaly momba izany izy ireo.
“Ahoana ny hevitrao mom­ba izany? Ahoana ny fijerinao ny fanamby raha toa ka eto Madagasikara no jerena?”, hoy ny fanontanian’ny TI-IM, natao hovaliana amin’ny rohin’izy ireo ary afaka ahitana ny salanisa mazava momba ny fandraisana anjara ny vehivavy eo amin’ny sehatra politika.

Synèse R.

Partager sur: