Olona 12 voasambotra nandritra ny be midina nataon’ny polisy avy ao amin’ny Kaomisaria boriborintany fahatelo, nanomboka afakomaly. Voasambotra noho ny fifohana sy fitazomana zava-mahadomelina ny telo tamin’ireo, noho ny resaka halatra sy sinto-mahery ny efatra, raha noho ny resaka fikambanan-jiolahy ny roa hafa. Noho ny resaka filokana an-dalambe ny vehivavy iray, noho ny fanaovana fanamiana mpitandro filaminana ny lehilahy roa hafa.
Lehilahy nanafika Cash point niharan’ny fitsaram-bahoaka tetsy Andrefan’Anmbohijanahary, afakomaly tamin’ny 7 ora hariva. Vehivavy iray efa nangoron’entana sy efa teo am-panomanana ny fodiany no notafihan’ity lehilahy ity. 4 tapitrisa Ariary ny vola nokasain’ity olon-dratsy ity nalaina teny amin’ilay vehivavy. Naratra vokatr’izany ilay vehivavy voatafika. Nahita izany ny mpandeha teny amin’ny manodidina ka tezitra ary nanao ny fitsaram-bahoaka tamin’ity olon-dratsy. Vokany, naratra mafy noho izany io olon-dratsy io. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny polisy. Nentina notsaboina avy hatrany eny anivon’ny hopitaly HJRA avokoa moa ireo olona roa naratra ireo taorian’izany.
Tafaverin’ny polisy avy any Atsimo Andrefana, afakomaly, ireo omby 19 lasan’ny dahalo tany amin’ny tanànan’i Magnoroky, distrikan’i Toliara II. Nangalarin’ny dahalo tao amin’ny tanànan’i Magnoroky, distrikan’i Toliara II, ny alin’ny 03 marsa 2025 ireo omby miisa 20. Nanao ny fanarahan-dia sy ny sakan-dalana ny fokonolona sy ny polisy. Tratra teo amin’ny sampanan-dalana Andemba ny omby fito. Tratra tany Ankiliberengy, atsinanan’ny kaominina Behompy, afakomaly, kosa ny omby ambiny. Raha toa ka novonoin’izy ireo ny omby iray.