Atao anio 8 marsa, etsy amin’ny sekoly ESTI Antanimena, ny loabary an-dasy, mahakasika ny fitarihana sy ny teknolojia niomerika. Mikarakara azy ny Airtel Maadagasikara sy ny ESTI. Mifanandrify amin’ny fankalazana ny Andron’ny vehivavy ny fotoana. Nomena vahana manokana ny vehivavy, toy ny teknisiana, ny injeniera voakasiky ny siansa sy ny teknolojia ary ny matematika (STIM). Niompanan’ny lohahevitra ny « zava-dehibe ny fahaiza-mitariky ny vehivavy hirona amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra eo anivon’ny mpiara-miasa aminy, sady mahay mihaino, raha sendra misy ny fiovan’ny fitantanana ». Nilaza ny talen’ny fitantanana ny mpiasa ao amin’ny Airtel, Razafimahefa Andriamihaja, fa « mila maneho ny traikefany ny vehivavy, hitarafana ny fahaiza-mitarika amin’ny sehatry ny STIM. Tanjona ny hampisongadina azy ireo, ny fahatokisan-tena, ny fananana vina ary ny faharetana ».
Nomarihin’ny tomponandraikitry ny fanombanana sy ny serasera ao amin’ny ESTI, Andriantsara Corinne, fa « manana andraikitra goavana amin’ny fanomanana ny hoavin’ny teknolojia ny vehivavy, mahatonga ny fiaraha-miasa amin’ny Airtel.
Njaka A.