Anosizato Atsinanana : Maty voatifitra Rasolobe, mpanendaka ikoizana

Tsy namelan’ny polisy raha tsy lavo Rasolobe, mpanendaka ikoizan’ny maro. Efa ela nampihorohoro ny mponina eny Anosizato Atsinanana sy ny manodidina .

Lavon’ny balan’ny polisim-pirenena avy amin’ny Sag (Service anti-gang) tetsy Anosizato Atsinanana, omaly atoandro tamin’ny 2 ora latsaka fahatelony teo, Rasolo be feo. Anisan’ireo mpanendaka gagilahy sy mpampihorohoro ny mponina eny amin’ny manodidina izy io, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny lehiben’ny Sag. Tratra tamin’ny toerana iray teo anelanelan’ny fiangonana Jesosy Mamonjy sy Pharmacie eo Anosibe izy sy ny namany telo lahy hafa omaly. Teo am-panomanana fanendahana sy fanafihana hafa indray izy ireo no tra-tehaka. Nitondra fitaovam-piadiana toy ny sabatra lava lela, izay fampiasain’izy ireo amin’ny asa fanendahana ny iray tamin’izy ireo. Nasaina napetrany tamin’ny tany moa io fitaovam-piadiana io, nefa tsy nanaiky izy ary niezaka nanohitra sy saika hamely sabatra ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny roa tonta. Vokany, voatifitra ka lavon’ny bala tamin’izany Rasolo be feo. Tafaporitsaka kosa ireo namany telo lahy niaraka taminy.
Niainga tamin’ny fitoriana nataon’olona iray
Olona iray anisan’ny voaendaka teny amin’ny manodidina no tonga nitory teny anivon’ny mpitandro filaminana. Lehilahy maromaro no nanendaka azy tamin’izany, notononin’ny mpanendaka iray tamin’izany ny anarana hoe: Rasolo. Niainga tamin’izany ny fikarohana sy ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana. Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny fokontany sy ny mponina eny amin’ny manodidina nahafahana nanao ny fikarohana.
Mivorivory sy mifoka rongony ireto mpanendaka ireto alohan’ny hanaovan’izy ireo ny fanafihana sy fanendahana. Marihina fa tsy mifidy ora fa manao ny asa ratsiny foana ireo andian-jiolahy ireo, na maraina, na atoandro na hariva. Mampihoroho ny ankamaroan’ny mponina eny amin’ny manodidina ny fisian’izy ireo mirongo io fitaovam-piadiana io. Mbola mitohy ny fikarohana ireo namany hafa izay tafatsoaka.

Mino

Partager sur: