FANTINA sy FINTINA

Efa miketrika ny hanatanterahana ny fifidianana izay ho lehiben’ny faritra ny Ceni. Nambaran’ny mpitondra teny, Soava Andriamarotafika, fa tokony ho fa efa eo am-pandrafetana ny hirosoana amin’izany izy ireo. “Vinavinaina hatao ny fifidianana ny filohan’ny faritra sy ireo mpanolotsain’ny faritra ary ny mpanolotsaina isam-paritany”, hoy izy.
Maromaro ireo tomponandraikitry ny zandary notendrena nandritra ny filankevitry ny minisitra tany Mahajanga, omaly. Eo ny général de brigade Mamelison Mbina Nonos hisahana ny Commandant des force d’intervention de la Gendarmerie- FIGN. Eo koa ny Général de brigade Ramaminirina Solofoniaina, kaomandin’ny sekoly ambony.
Anisan’ny iompanan’ny fiaraha-miasa amin’ny Vondrona eoropeanina (UE) ny momba ny fametrahana filaminana sy fandriampahalemana. Nivoitra izany tamin’ny fihaonana teo amin’ny masoivohon’ny UE, Roland Kobia, sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, tetsy Anosy, afakomaly. Voaresaka koa ny fanjakana tsara tantana…
Ho eny amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka, ny vehivavy Tim Analamanga, anio. Hanamarika ny Andron’ny vehivavy koa izy ireo. Hanomboka amin’ny fotoam-bavaka sy fifanakalozan-kevitra etsy Bel Air izany. Hisy ny fitsaboana maimaimpoana ho an’ireo marary. “Esory ny tahotra fa androntsika io”, ny depiote Raharimanarivo Voahangy.

Partager sur: