Indroa mahita ny maizina

 

Trangam-piarahamonina mampikaikaika ny maro ny vono olona etsy sy eroa. Miaina anaty tahotra sy ahiahy andro aman’alina ny sarambabem-bahoaka. Sahiran-kevitra amin’ny zava-miseho ny madinika, tsy mba manana basy aman-tafondro hiarovan-tena. Atody miady amam-bato ny sokajin’olona marefo amin’izao fotoana izao. Manao izay danin’ny kibony rahateo ny mpanao ratsy.
Voatondro molotra ny mpitandro filaminana. Rafitra natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany, saingy tsy hita be ihany izay paikady. Zary rehefa misy ny lasibatra vao mikoropaka amin’ny “Operation” manokana. Manahirana ny zava-miseho kanefa raha misy ny sahy mijoro sy manetsika ny hambom-po ho fiarovana ny daholobe dia aleo mangina alohan’ny fotoana. Tsy misy ankitsitsy ihany koa ny fisamborana sy fanagadrana izay mahasahy.
Mila sahy miatrika ny adidy natrehina taminy ireo tomponandraikitra ka izay tsy mahavita ny azy dia tokony hahay manaja tena. Indroa mahita ny maizina toa tain’omby nasesika an-davabary ilay vahoaka madinika. Miferotra aina amin’ny hafitsoky ny olon-dratsy. Mitaintaina ihany koa amin’ny fomba fiasan’ny mpitandro filaminana.
Saika manerana ny Nosy ny trangana tsy fandriampahalemana misy. Tsy mifidy sokajin’olona ho lasibatra ny jiolahy. Na ny sahirankirana ara-pivelomana, na ny manankatao dia samy mahita faisana avokoa. Ny tena mahalatsa-dranomaso, tsy vitan’ny voaroba fa mbola manaraka hatramin’ny aina ihany koa. Tsy afa-manoatra anefa noho ny tsy fananana fahefana hitaky ny zo mifanaraka amin’izany.
Olana rahateo ho an’i Madagasikara ny mbola fanafangaroana ny hetsika fitakiana ara-tsosialy sy ny hetsika politika. Raha vao misy ny kivorivory dia mivadika ho girevy, mendrika baomba mandatsa-dranomaso avy hatrany izany. Tena fady ny manao fitakiana eto amin’ny tanàna na dia efa mihatra aman’aina aza ny zava-miseho.

r.r

Partager sur: