Nitondra rotsakoranabe (80 hatramin’ny 150mm ao anatin’ny 24 ora) nanomboka omaly ho an’ny tapany avaratra ilay faritr’andro ratsy satria nipaka any amin’ny ilany avaratra atsinanana ny rahona mialoha azy.
Tsy nahafeno fepetra ahazoana anarana ilay andro ratsy hatramin’ny omaly hariva ka mitoetra ho faritra andro ratsy ihany izay niforona ao atsinanan’ny faritra Diana. Omaly hariva, tany amin’ny 260 km atsinanana somary avaratra atsinanan’i Vohémr no nisy ny foibeny, araka ny fanazavan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro. 45km isan’ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 55 km/isan’ora ao anaty oram-baratra. Nikisaka haingana niakandrefana izy ka nahafaka 30 km isan’ora. Tombanana hiditra an-tanety eo amin’ny distrikan’i Vohemar na Antalaha ity faritr’andro ratsy ity ny vao maraina teo. Efa mikasika ny ilany avaratra atsinanana iny ny rahona mialoha azy. Mihena ny herijika hahalasa rivodoza azy mialohan’ny hidirany an-tanety nefa ho betsaka ny rotsakorana hiaraka aminy (80 hatramin’ny 150mm ao anatin’ny 24 ora) nanomboka omaly.
Ahina noho izany ny tondradrano, ny fiakaran’ny renirano sy ny fihotsahan’ny tany sy lalana amin’ireo toerana marefo amin’ny tapany avaratra, avaratra atsinanana ary afovoany atsinanan’ny Nosy. Ho fiomanana manoloana izany, nahazo filazana loza manambana ny faritra Diana, Sava ary Ambatosoa. Filazana fanairana miloko maitso kosa ho an’ny faritra Sofia, Boeny ary Besalampy.
Entanina ny mpampiasa ranomasina manomboka eo anelanelan’ny tanjona bobaomby sy Mahanoro tsy hiandriaka mandra-pahalasan’ny loza. Toy izay koa ny morontsiraka avaratra andrefana manontolo manomboka anio vao maraina. Manara-maso akaiky ny fivoaran’ity tranga ity ny foibe famantarana ny toetry ny andro.
Misy fampitandremana amin’ny fiakaran’ny rano ho an’ireo mponina manamorina ny reniranon’i Mahavavy avaratra (distrika Ambilobe), Irodo (distrika Antsiranana II), Fanambana (distrika Vohimarina), Bemarivo, Lokoho (distrika Sambava), Antainambalana (distrika Maroantsetra) sy ireo mponina amin’ny faritra mora tondraka.
Vonjy