“Mondial 2026” : Mpilalao efatra ihany ny avy eto an-toerana voaantso Barea

Na dia amin’ny alarobia ho avy izao aza ny lisitr’i Corentin Martins, mpanazatra Barea vaovao, no hivoaka, nilaza ny loharanom-baovao iray fa miisa efatra ihany ireo mpilalao avy eto an-toerana voaantso handrafitra ny Barea de Madagascar.

Afaka 11 andro eo, hiatrika ny fifanintsanana ahazoana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026” ny Barea de Madagascar. Fihaonana izay hikatrohana amin’ny Les Fauves Centra­frique, tafiditra ao anatin’ny andro fahadimy ho an’ny so­kajy “I”. Araka ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasiona malagasy (FMF), mpilalao avy eto an-toerana miisa efatra ihany no nan­tsoin’i Corentin Martins, frantsay teknisianina vaovao an’ny Barea.

Tsy nilaza ny anaran’ireo mpilalao ireo moa ity mpampita vaovao ity. Ankoatra ireo avy eto an-toerana, misy ihany koa ny lohalaharana mifanintsana amin’ny diviziona voalohany any Eoropa, nanaiky ny hanao Barea. Ho fantatra ny 12 marsa ho avy izao ireo anarana mpilalao nantsoina hiaro ny voninahi-pirenena ireo.

Tsiahivina fa any Maroc, handray ny Barea de Mada­gas­car ny Les Fauves an’i Centrafrique, ny alarobia 19 marsa ho avy io. Aorian’ity fifanandrinana amin’ny Centra­frique ity, handray ny Black Star Ghana ny Barea ny 24 marsa ho avy izao, any Maroc ihany.

Ambony ny herijika
Sedra iray ho an’ny Coach Martins ny lalao roa hifanandrinana amin’i Centrafrique sy i Ghana. Ambony anefa ny herijika hahafahan’ny Mala­gasy mpilalao amin’ity raha mahita fandresena amin’io ny Barea de Madagascar. Ampa­hatsiahivina ihany fa manana isa 7 izao ny ekipa nasionaly malagasy, ary eo amin’ny laharana fahatelo amin’ny vondrona “I”. Rehefa vita ny lalao iraisam-pirenena tahaka io, andrasana indray ny filaharan’i Madagasikara amin’ny Fifa.

Fitia Randria

Partager sur: