Mozean’ny saripika : Hasongadina ireo vehivavy nanamarika ny tantara

« Femmes, Audace, Héritage: Portrait ». Izay ny lohahevitry ny fampirantiana manaraka, hotontosaina ao amin’ny Mozean’ny saripika eto Madagasikara eny Anjohy. Hanomboka ny 12 marsa izao izy ity, ka amin’ny 12 ora ny fanokafana. Hanason­gadi­nana ireo vehivavy izay nana­marika ny tantaran’i Mada­gasikara ny tena tanjon’ny fampirantiana. Manomboka any amin’ireo mpanjakavavin’i Madagasikara, mandalo ireo mpitari-tolona, mpanao politika, siantifika, mpanakanto isan-tsokajy, mpanao fanatanjahantena, sns.
Samy nanana ny nametrahany ny anarany teo amin’ny sehatra nampisongadina avy ireo vehivavy malagasy nosafidiana ireo. Mbola mipaka hatramin’izao amin’ny fiainam-pirenena ny fandresen-dahatra nananan’izy ireo, tamin’ny vanim-potoany avy. Nisy akony tamin’ny fampandrosoana ny firenena izany ary mitoetra hatrany ho fitaratra amin’ny hoavin’ireo vehivavy aty aoriana izany.
Tafiditra ihany koa anatin’ny hetsika “A voix haute! Paroles de femmes”, izay tetikasan’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo sy ny Région Ile-de-France. Hisy ny velakevitra amina lohahevitra maro, fandefasana horonan-tsary arahina adihevitra, atrikasa sy fifanakalozana amin’ireo toerana manan-tantara eto an-drenivohitra, mandritra io fotoana io. Haharitra hatramin’ny volana jona 2025 mantsy ny fampirantiana. Tafiditra hatrany anatin’ny hetsika fanasongadinana ny zon’ny vehivavy sy ho fametrahana ny fitovian-jo ireo rehetra ireo.

Zo ny Aina

Partager sur: