« Rire – Délire », etsy amin’ny AFT Andavamamba. Hatao sehatra malalaka ho an’ny fialamboly, anatin’ny hatsikana sy ny soratra ary izay mety ho rediredy eo ny anio sabotsy 8 marsa, manomboka amin’ny 2 ora. Afaka miaka-tsehatra izay te hanandrana na efa mpanao hatsikana. Afaka manatrika ny atrikasa mahakasika izany izay entanin’ny Gasy Stand Uppers ihany koa. Malalaka ny lohahevitra sy izay hatao rehefa ao anatin’izay fampialana voly amin’ny karazana hatsikana izay.
Hisy ny fihaonana sy ny fifanakalozana eo amin’ny mpanakanto zoky sy ny mpanakanto tanora, anio. Hizara ny traikefa ananany eo amin’ny tontolon’ny hira amin’ny ankapobeny (famoronana, feo, fitendrena…) i Narisoa. Aorian’io no ahalalana ny tohin’ny fihaonana. Raha tsy hisy ny fiovana, hanara-maso akaiky ireto tanora ireto izy mba hisian’ny fivoarana any amin’ny tsaratsara kokoa hatrany.
Tontosaina ny 19 marsa izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny efitrano Dox (Tranombokim-pirenena) Anosy ny famoahana ilay boky “Voninkazo dia” mirakitra ny sanganasan’i Hasina Ratera. Hisy ny antsa tononkalo hiarahana aminy amin’io fotoana io. Eo ihany koa ny fanotronan-dry Tsanta Mirindra, Fanahy 18 ary i Tojo Rakoto. Ny hira voaravaka soradihy hiarahana amin’ny kaompania Arangao.
Vehivavy, reny… Andro iraisam-pirenena ho azy ireny, ny anio. Ho an’ny Malagasy, io no laharanon’ny taranaka. Sanatria, maloto io (loharano), maloto ny rano natsakaina. Madio io, azo antoka fa hanana taranaka vanona izy. Saingy, ankehitriny, nisy ny fiovana lehibe! Tsy mandray anjara mivantana amin’ny fanabeazana intsony ny vehivavy hany ka nanjary manana taranaka mivaona i Madagasikara.