Fasana 15 nisy namaky tany Maintirano. Nampandre ny polisy ny sefo fokontany tao Ampasimanondro, distrikan’i Maintirano, omaly maraina tamin’ny 6 ora, fa nahitana vaky fasana tao an-toerana. Nijery ifotony avy hatrany ny polisy ka nanamarina ny tranga. Fantatra fa 15 ny fasana nisy namaky. Nikaroka zava-tsarobidy nampiarahana tamin’ny razana ireo mpamaky fasana ka antony namakiany ny fasana. Efa misokatra ny fandihadiana.
Mpamaky fiara an-dalambe voasambotry ny zandary teny amin’ny kaominina Ambohimangakely, afakomaly. Azo tao anaty horonantsary voarakitry ny “camera” teny amin’ny manodidina io olon-dratsy io. Nanao fikarohana ny mpitandro filaminana ka noraisim-potsiny izy. Mpamaky fiara mipetraka amin’ny toerana fijanonan’ny fiara tahaka ny eny Ambohimangakely, Ankadikely Ilafy, 67 Ha, hatrany Mahamasina ity mpandroba ity.
Tsy nahatsiaro tena potsitry ny kamiao nivoaka ny arabe tampoka ny lehilahy iray teny Ambatoroka, omaly. Nisy fiara nisongona nifanoha-dalana tamin’ilay kamiao ka niala izany ity farany. Nifatratra tany amin’ny sisin’ny arabe izay misy fefy io kamiao io kinanjo nisy olona tao ambadiky ny fefy. Nentina teny anivon’ny hopitaly avy hatrany ilay lasibatra.
Mpitondra moto maty tsy tra-drano niharan-doza teny amin’ny lalam-pirenana voalohany, teo Beronono, omaly maraina. Niampita tampoka ny mpitondra ilay sarety. Voafaokan’ny moto anefa io sarety io ka nianjera ny moto nentiny. Vokany, namoy ny ainy ity farany.