Village touristique – Mahajanga: Nambolena voanio 60, nodiovina ny torapasika

Anisan’ny nankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ny tao Mahajanga. Koa, tamin’ity herinandro ity ny fanatsarana ny lalana manamorona ny “village touristique” Maha­voky-Nord sy ny fanadiovana ny torapasika. Tetikasan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy ny fametrahana ny “allée ar­borée” sy fanadiovana ny “vil­lage touristique” niaraka amin’ ny vadin’ny filohan’ny Re­poblika, Rajoelina Mialy.
Nosafidiana manokana ny hazo voanio noho ity karazan-kazo ity manatsara endrika ny morontsiraka, mahazaka tsara ny hafanan’i Mahajanga, azo hialokalofan’ireo mpizahatany rehefa mafana ny andro. Mi­isa 60 ireo hazo voanio novolena tamin’ny lalana manamorona ny torapasika. Nitohy tamin’ny hetsika fanadiovana ny torapasika izany avy eo. Nodiovina ny manodidina ny ranomasina ho fiarovana ny ranomasina sy ireo biby mivelona ao anatiny sady hisarihana mpizahatany hampiroborobo ny toekaren’ny mponina ao an-toerana. Ia­raha-miasa amin’ireo fikambanam-behivavy ny fanaraha-maso sy fikolokoloana ireo hazo novolena sy ny fahadiovan’ny torapasika mandavan-taona izany miaraka amin’ny kaominina Ma­hajanga.
Iray amin’ireo tena imasoan’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika ny fikajiana ny tontolo iainana ka misy hatrany ny fiaraha-mientan’ireo vehivavy isaky ny fankalazana ny 8 marsa toy izao. Mitohy amin’ny fambolena ala honko any Boanamary (distrika Maha­janga II) ny hetsika.

Vonjy

Partager sur: