Anisan’ireo mpihira manana sanganasa maro manamarika vanim-potoana sy tranga maro i Lôla. Tao anatin’ny 25 taona no nampahafantariny izany. Tsy ho lalovam-potsiny io vanim-potoana io.
«Raikitra io e » ! Tena raikitra tokoa fa ny tolakandron’ny alahady 30 marsa izao, hanomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy Antsahamanitra, no hiaka-tsehatra anatin’ny « Seho tena matihanina » ny tarika Lôla, amin’ny endriny feno. Fampisehoana ho fanokafana ny fankalazana ny faha-25 taona nihiran’i Lôla. Hifandimby hiraina eny an-tsehatra ireo sanganasany tsy afaka am-bavan’ny olona maro. Hitety vanim-potoana. « Anisan’ny hampiavaka ity fampisehoana ity ny faharetan’ny fotoana. Rehefa nojerena akaiky, betsaka ireo hira nanamarika vanim-potoana maro ho an’ny olona tsirairay, na olon-droa, na fianakaviana, ny mpiara-monina, sns. Mahatratra any amin’ny 50 ny isan’ny hira tsy azo hialana », hoy i Lôla. Nohamafisiny rahateo fa lohahevitra maro no misy ireo hira ireo. Ao ny maneho ny hakanton’i Madagasikara, ny fiderana an’Andriamanitra, ny fitiavana, ireo zava-mitranga eny amin’ ny fiarahamonina, sns. Notsindrian’i Lôla manokana fa « amin’ny maha « Seho tena matihanina » azy, hisy ny tsy ampoizina, ny vahiny nasaina manokana, ny fivoahan’ny rakikira amin’ny alalan’ny USB… Ny fikarakarana rehetra, haneho izay matihanina izay avokoa (jiro sy hazavana, fanamafisampeo…) ».
Ny eo anivon’ny « Club Union des Elites Foot-ball Antananarivo » (UEFA), tarihan’ ny filohany Maître Tombo Anthonio sy ny Sekretera jene-raly Randimbimalala Georgia ary ireo mpiara-miasa aminy akaiky, sy ireo ray aman-drenin’ ireo ankizy ao anatin’ny Club UEFA no mpiara-miketrika ny fanatanterahana ny « Seho tena matihanina » iarahana amin’i Lôla. Hoentina manatevina ny kitapom-bolan’ny klioba UEFA ho fiatrehana ireo fifaninanana hotanterahana any ivelan’i Madagasikara sy ireo fihaonana iraisam-pirenena ary hanatsarana miandalana ny tolotra omena ireo ankizy, ny vola ho azo amin’ny « Seho tena matihanina », raha ny fanazavan-dry zareo.
Nanangona :
HaRy Razafindrakoto