Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy : Fiofanana nataon’ny Mifam Advantista Alarobia

Niavaka ny nankalazan’ny fiangonana Advantista, ao Alarobia Ambatomanga, dis­trikan’Ambohimangakely ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy, ny sabotsy 8 marsa lasa teo. Koa satria nifanindry tamin’ny andro sabata izany dia fitondrana am-bavaka ireo andriambavilanitra tao an-toerana sy ireo vahiny nasaina no natao. Nikarakara ny hetsika ny fikambanana Ministère de la femme (Mifam). Tenin’Andria­manitra nifampaherezana ny ohabolana toko faha-31 andininy faha-10 manao hoe : «Iza no mahita vehivavy tsara ? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy». Ni­tondra ny hafatra fampaherezana, Razafimahatrara Ely­sée, atleta malagasy tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny «marathon», sady mpi­kambana ao amin’ny Mi­fam. Noraisiny ho ohatra ny asa tsara sy ny fikirizana nataon’i Estera.
Nambaran-dRakotoarison Clarisse Aimée fa tena ilain’ny vehivavy ny fampaherezana, amin’izao fotoana sarotra izao, noho ireo herisetra sy fijaliana samihafa. Noha­ma­fisin-dRakotondranaivo Sabi­ne fa ankoatra izay, nomena fiofanana sy fampianarana koa izy ireo, ho tonga vehivavy matahotra an’Andriama­nitra, hendry ary hahaleo te­na, afaka hanampy ny vadiny sy hamelona ny ankohonany. Nozaraina fehezam-boninkazo sy tenin’Andriamanitra ireo vehivavy ary vatomamy ho an’ny mpanatrika rehetra. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo ny fotoana.

Vonjy A

Partager sur: