Filoha Rajoelina Andry: « Hanokanam-bola betsaka ny vehivavy »

Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry tany Mahajanga, ny sabotsy teo, tamin’ny andron’ny 8 marsa ny hanohanan’ny fitondram-panjakana ny vehivavy.

Nohamafisiny tamin’izany fa ho eo anilan’ny vehivavy mandrakariva ny filoham-pirenena. Natsidiny fa hiezaka ny hitady vahaolana sy hanampy azy ireo hatrany mba hahaleo sy hahazaka tena amin’ny sehatra maro. « Efa nanokanan’ny fitondram-panjakana ampaham-bola betsaka ny fanohanana ny vehivavy sy ny fikambanam-behivavy rehetra manerana ny Nosy », hoy ihany izy.
Nanteriny tamin’izany koa fa anisan’ireo ezaka ho fampandrosoana ny vehivavy ny fanomezana velaran-tany aha­fahana mamboly sy miompy. Manampy izany, ny fanomezana fitaovana ampiasaina amin’izany toera-pihariana izany. Tsy mijanona amin’izany ihany anefa, araka ny nambarany. «Eo ihany koa ny fa­nofanana arakasa isan-karazany sy ny fikirakirana ny teknolojia. Hojerentsika ny fa­matsiana fitaovana ahafahan’ ireo vehivavy miditra amin’ny sehatry ny asa», hoy ihany izy.
Ankoatra izany, nohamafisin’ny filoha Rajoelona Andry fa mijoro sy miaro hatrany ho an’ny fitovian-jo ho an’ny lahy sy ny vavy ny fitondram-panjakana ary manohana hatrany ny fizakan-tenan’ireo vehivavy sy tovovavy rehetra. «Fanoitra lehibe ho an’ny fampandrosoana ny firenena izany», hoy izy.

Tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro
Notsiahiviny koa anefa fa andraikitra iombonana ny fiarovana ny zon’ny vehivavy ary mitaky ny fandraisan’anjaran’ ny mpisehatra rehetra eo amin’ ny fiarahamonina izany.
Tsiahivina fa nitohy tamin’ny fanombohana ny asa fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro ao amin’ny fokontany Man­jarisoa, Mahajanga izany. Nambaran’ny filoham-pirenena tamin’izany fa hampihenana na hanafoanana ny delestazy sy hamahana ny olan’ny herinaratra ny fametrahana izany ao an-toerana.

Synese R.

Partager sur: