INDRAY MIJERY

Hikorontana ny toetry ny andro any an-dranomasina any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana sy avaratra andrefan’ny Nosy noho ny fisian’ilay rivodoza Jude ao amin’ny lakandranon’ny Mozambika. Entanina ny mpampiasa ranomasina any amin’ireo morontsiraka ireo mba hanaraka ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony. Satria, hanonja be na hahery be ny ranomasina ary ho mafy ny fitsokan’ny rivotra.
Noho ny fisian’ilay rivodoza Jude, misy fiantraikany amin’ny faritra Diana, Sofia sy Sava ary Analanjirofo izany. Nandefa filazana fampitandremana miloko mavo amin’ny fiakaran’ny rano ny eo anivon’ny BNGRC, ho an’ireo mponina manamorina ny renirano : Sofia (distrika Port-Bergé) Sambirano (distrika Amban­ja), Antainamba­lana (distrika Maroantsetra), ary Mana­nara (distrika Mananara).
Nisy ny fambolena honko tao Boanamary, distrika Mahajanga II, nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. 30 000 ireo zanaka honko novolena tamin’ny velaran-tany 2ha. Niara-nientana tamin’ny fambolena ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy sy ireo fikambanam-behivavy ary Vondron’olona ifotony ao Boanamary.
Ho fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, niara-nankalaza tao amin’ny CFPF Tsimbazaza ireo vehivavin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa. Hetsika nokarakarain’ny fitaleavam-paritra Analamanga. Nan­dritra izany, nisy fiofanana manokana momba ny fikolokoloana tanana, taovolo ary hainahandro.

Partager sur: