Hotanterahina ny 14 Marsa izao ny fifidianana ho filoha hitantanana ny Oniversiten’Antananarivo. Telo ireo kandida mpifaninana, anisan’izany, ny Pr Rijalalaina Rakotosaona avy amin’ny Ecole Supérieure Polytechnique d’Antananarivo (ESPA).
Teny manentana entiny mandritra izany ny hoe: “Hay, Andraikitra, Asa ho fampitomboana ny hasin’Ambohitsaina”. Tafiditra ao anatin’ny vinam-pandrosoany, ny hanatsarana ny kalitoan’ny fampianarana sy fikarohana. Eo koa ny fanatsarana ny tontolo iainana eny anivon’ny Oniversite mba hahafahan’ny rehetra miaina milamina eo am-panantanterahana ny asany. Ankoatra izay, misy ny fanamboarana ny fitantanana mba hahomby sy hifanaraka amin’ny teknolojia vaovao. “Manentana ny mpiara-miasa rehetra, ny mpampianatra, mpikaroka, mpandraharaha eo anivon’ny Oniversite, mba handrotsaka vato ho ahy amin’ny fotoana fifidianana”, hoy izy, nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety teny Ankatso, ny sabotsy teo. Nambarany fa manan-danja goavana eo amin’ny firenena ny fifidianana ny filohan’ny Oniversite.
Marihina fa nanomboka ny zoma tamin’ny 6 ora hariva teo ny fampielezan-kevitra ho an’ireo kandida. Hifarana hatramin’ny Alarobia izao ny fampielezan-kevitra. Andro fiatoana sy hatao hanginana kosa ny alakamisy izao. Nisy ny fivoriana nataon’ny komity mpandrindra ny fifidianana eny anivon’ny Oniversiten’Antananarivo, ny zoma lasa teo, nahafahana nanapaka ireo.
Mino