Tantara amin’ny onjam-peo : Miofana ireo mpikamban’ny Bira Ti’art

Mitohy hatrany ny fiofa­nan’ireo mpilalao tantara amin’ ny onjam-peo mivondrona amin’ny Bira Ti’Art, ao Antsi­rabe. Nambaran’ny mpitarika azy ireo fa ilaina ny fanama­fisana hatrany ny fahaiza-manao efa ananana sy ny fifampizarana traikefa amin’ ireo mpilalao tantara avy aty Antananarivo. Ireo sangany amin’ny filalaovana tantara rahateo no tonga tany An­tsirabe. « Misy hatrany ny fifanakalozana ao anatin’ny fiofanana, ho fanatsarana hatrany ity kanto iray ity. Mitaiza sy manabe ny tantara ka ilaina ny fiofanana tahaka izao mba hahatafita tsara ny hafatra tiana hampitaina amin’ny mpihaino sy ny mpankafy », hoy ireo mpitarika. Mampihatra avy hatrany sady mandray ny toromarika avy amin’ireo efa matihanina izy ireo eo am-pilalaovana na ny fanodinana ny tantara. Marihina fa ankoatra ny fiofanana momba ny filalaovana tantara. Mianatra sy manda­lina momba ny fanatontosana avy amin’ireto mpampiofana ireto ihany koa ny mpikam­bana ao anatin’ny Bira Ti’art.
Miisa efatra ireo, ohatra, ireo tantara noraisim-peo, omaly tao amin’ny Kolo FM 88.8 ao Antsirabe. Halefa ao amin’ity onjam-peo ity izany rehefa vita tanteraka ny fikirakirana ny lafiny teknika rehetra. Tsiahivina fa misehatra amin’ny tantara an-tsehatra koa ny Bira Ti’Art ary mandihy sy mihira ary manao hatsi­kana amin’izany seho ataony izany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: