TSELATRA

Mahakasika ny raharaha vaky trano tetsy Ambodiafontsy ny 28 febroary lasa teo, nalefa eny amin’ny fonjan’ny Tsiafahy ireo lehilahy enina voarohirohy taorian’ny fampanoavana azy ireo tetsy amin’ny fitsarana Anosy, ny zoma alina lasa teo.

Raharaha famonoana ny ben’ny Tanànan’i Man­gataboahangy, ny 21 febroary lasa teo. Olona 18 nahiditra am-ponja vonjimaika, taorian’ny fampanovana tetsy Anosy, ny zoma lasa teo. Lehilahy 16 nalefa eny Tsiafahy, vehivavy roa hafa eny Antanimora. Tao anatin’izany, ny anadahin’ i Rasazy maty, ny chef zap sy ny PDS ny kaominina any an-toerana ary ny mpamilin’ny fiara.

Nokapain’ny olon-dratsy tamin’ny zava-maranitra ny ratsan-tanan’ny renim-pianakaviana ary voa mafy teo amin’ny lohany ilay rangahy vadiny, nandritra ny fanafihana tao Ankaraobato, Kaominina Katsepy, distrikan’i Mitsinjo, ny 4 marsa lasa teo.

Lavo voatifitry ny Polisy avy amin’ny CUI sy UIR teny Antohomadinika ny jiolahy raindahiny, ny 07 marsa 2025, tamin’ny 10 ora alina. Fantatra sy voalaza ho isan’ireo nanao fanafihana Cosmos tetsy Andranomena.

Partager sur: