Natao hampitomboana ny vokatra sady hanatsarana ny fari-piainan’ny tantsaha ny fampiasana ny masomboly vary safiotra. Nahazo ny anjarany ny tany Besalampy.
Nitohy ny fanapariahana ny masomboly vary safiotra. Vinan’ny filoha Rajoelina Andry ny tetikasa « Vary safiotra », tanterahin’ny Sekreteram-panjakana misahana ny Fahavitan-tena ara-tsakafo. Natomboka, omaly ny fizarana izany maimaimpoana any amin’ny distrika Besalampy, faritra Melaky. Nisy koa ny fanomezana zezika (NPK, urée, zezika organika), entina hanatsarana sy hampitomboana ny vokatra. Satria raha 2 taonina isaky ny hekitara ny taham-bokatra, ankehitriny, hiakatra 8 hatramin’ny 12t/ha izany raha ho an’ny vary safiotra manokana. Tanjona ny hampahaleo tena an’i Besalampy amin’ny lafiny ara-bary, izay miankina amin’ny fambolena ny 90% ny mponina.
Tsy misy distrika hadino
Nilaza ny Sekreteram-panjakana misahana ny Fahavitan-tena ara-tsakafo, Razanamahefa Tahian’Ny Avo, fa « tsy misy distrika ho hadino, indro aho iraky ny filoham-pirenena, tonga aty Besalampy, hijery ny vahoaka sady hanampy amin’ ny fampandrosoana ny seha-pambolena ety ifotony. Indrindra hiady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Izay no mahatonga izao fizarana izao ».
Tsiahivina fa efa natao ny fizarana masomboly vary safiotra sy zezika tany amin’ny kaominina Ambohibary Moramanga, tany amin’ny distrika Morondava Menabe, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, sns.
Ankoatra izay, nofaranana tamin’ny fametrahana samboady ho an’ireo ben’ny Tanàna vaovao ao anatin’ny distrika Besalampy ny lanonana, niarahana tamin’ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana. Nanolotra lelavola 2 tapitrisa Ar ho an’ny fikambanam-behivavy ihany koa ny sekreteram-panjakana ho fanohanana azy ireo amin’ny asa fampandrosoana eny ifotony.
Njaka Andriantefiarinesy