Ekipa nasionaly malagasy: Mpilalao vaovao dimy hantsoina hanatevina ny Barea

Afaka 11 andro eo, hiatrika ny fifanintsanana hahazoana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026” ny Barea de Madagascar. Ho fantatra rahampitso ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny ekipa nasionaly.

Araka ny siosion-dresaka mandeha amin’izao fo­to­ana izao, mpilalao dimy vaovao no nantsoin’i Corentin Martins, Frantsay teknisianina mitondra ny ekipa nasionaly malagasy, handrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Raha ny filazan’ilay loharanom-baovao, anarana dimy no efa malaza, saingy andrasana rahampitso ny fanambarana ofisialy mahakasika izany.
Anisany i Geordan Dupire, (FC Swift Hesperange), Tom­my Iva (OS Orleans France), Mathieu Acapandié (FC Nantes France), Samuel Noi­reau Dauriat (EA Guingamp France), Jean Harisson Marcelin (Beitar Jerusalem FC Israel). Ankoatra izay, tsara ny mampahatsiahy fa miisa efatra ihany ireo mpilalao avy eto an-toerana nantsoin’i Coach C. Martins.
Ankoatra an’i Dax, mpilalaon’ny Fosa Juniors Boeny, mandeha ihany koa ny resaka fa nantsoina hanatevina ny ekipa nasionaly ihany koa i Lalaina, CFFA Andoharano­fotsy, i Tony, vodilaharan’ny Elgeco Plus. Efa nahazo ny taratasy fiantsoana azy avokoa ireo mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity fifanintsanan’ny «Mondial 2026» ity.
Tsara ny mampahafantatra fa hatao any Maroc avokoa ny lalaon’ny Barea. Ny 19 marsa ho avy io, hifandona amin’ny les Fauves Cen­trafrique ny ekipa malagasy. Ny 24 marsa izao kosa, handray an’i Ghana any an-toerana i Madagasikara. Andra­sana ny daty handehanan’ny delegasionina malagasy ho any Maroc. Tsiahivina fa manana isa 7 ary laharana fahatelo ao amin’ny vondrona I misy azy ny ekipa nasionaly malagasy.

Fitia Randria

Partager sur: