Niakatra fitsarana miady amin’ny kolikoly ny zandary enina sy sivily efatra, omaly. Voampanga ho nanodinkodina Cocaïne tratra tany Nosy Be Hell ville izy ireo.
Niakatra teo anivon’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly Pac, omaly, ireo zandary enina sy olon-tsotra efatra izay samy voasaringotra tamin’ny raharaha rongony mahery vaika Cocaïne. Sarona tao Nosy Be, nentina vehivavy miisa roa ny Cocaïne nilanja 250 kg tao anatina valizy roa, ny volana aogositra 2024. Nogiazana ireo zava-mahadomelina an-jatony kilao ireo. Nentina ho dorana izany taorian’izay. Tsy hita popoka anefa ny 200 kg tamin’ireo entana 250 kg tra-tehaka. “Nitrangana fanodinkodinana sy kolikoly tamin’io fahatrarana rongony io”, hoy ny fanazavan’ny Tonia Mpampanoa ambony eo anivon’ny Pac, Rasoahanta Elysée. Niditra tamin’ny fanatontosana ny fanadihadiana lalina ny eo anivon’ny sampandraharahan’ny polisy eo anivon’ny DPJ. Vokany, nosamborina ireo zandary sy sivily voasaringotra, nahatratra 14 ka notanana niandry ny fotoam-pitsarana azy.
Vehivavy ny telo
Vehivavy ny telo tamin’ireo sivily nohainoin’ny Pac, omaly, ireo. Nanomboka tamin’ny 3 ora tolakandro, tsy mbola nifarana hatramin’ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity ny fitsarana ireo olona voasaringotra tamin’io raharaha Cocaïne io. Voampanga noho ny firaisana tsikombakomba tamin’ny fanodinkodinana ny 200 kg tamin’ilay zava-mahadomelina efa nogiazana sy voarakitra an-tsoratra ireo zandary sy sivily ireo. Etsy ankilany, mitaky ny hanehoana ny mangarahara momba ity raharaha ity ny mpisolovavan’ ireo voampanga. Marihina, manodidina ny 190 000 Ar amin’izao fotoana ny hamarotan’ireo mpanao varo-maizina ny 1 grama amin’io karazan-drongony mahery vaika io, eto an-toerana.
Tsiferana R.