FANTINA sy FINTINA

Nanentana ny rehetra ho mailo ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Nambarany fa marobe ny mpisoloky ara-bola amin’izao fotoana izao. “Ao ireo milaza fa mampindram-bola na mahavita mampitombo vola, na manampy ara-bola. Maro ny mpisoloky amin’izao fotoana izao”, hoy izy.
Nametraka samboady ireo ben’ny Tanàna voafidy tao Mananara Avaratra, ny loholona Besoa Erick, nandritra ny fitsidihany tany an-toerana, ny herinandro teo. Nitohy tamin’ny fiaraha-midinika ho an’ny fampandrosoana an’iny distrika iny izany. Anisan’izany ny fijerena ireo fotodrafitrasa efa vita nefa tsy mbola nampiasaina.
Nanamarika ny 8 marsa koa ny teo anivon’ny Primatiora, ny sabotsy teo. Anisan’izany ny famelabelarana nataon’ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle momba ny fanjarian-tsakafo. Teo koa ny fanomezan-dra maimaimpoana hanampiana ireo mila izany eny anivon’ny toeram-pitsaboana maro sy ny fanaovana fitiliana homamiadan’ny nono…
Nanambara ny fahavononany hifanome tanana amin’ny mpitondra fanjakana ao Toliara I ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny, araka ny nambarany. “Hiarahantsika manala anatin’ny fotoana fohy ireo fako eto an-tanàna ireo. Avoahy avokoa ny fitaovana rehetra fa hiantoka ny solika lany rehetra amin’izany izahay», hoy izy.

Partager sur: