Hiditra amin’ny andiany fahefatra ny Tetikasa lalankely. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) sy ny AFD ary ny eo anivon’ny Vondrona eoropeanina (UE) izany.
Nambaran’ny tale jeneralin’ny Fanajariana ny tany, Rakotomalala Miangaly, tetsy Anosy, omaly, fa nanova ny fiainan’ny mponina sy namaha ny olana teny ifotony ny tetikasa Lalankely, andiany I sy II ary III. “Nahafahana mivezivezy ny lalankely vita, mirefy 150 km. Eo koa ny fanamboarana sy fampitaovana samihafa toy ny toerana fanasan-damba miisa 30; ny paompin-drano miisa 80; ny kianja ho an’ny fanatanjahantena…”, hoy izy. Nisitraka izany ireo kaominina miisa 30 eto Antananarivo sy ny manodidina. Nanteriny fa nahafa-po ireo andiany telo teo aloha ka izao hirosoana izao ny andiany fahefatra amin’ity tetikasa ity. Mitentina 35 tapitrisa euros izany ka mamatsy vola ny eo anivon’ny AFD sy ny UE, miaraka amin’ny famatsiam-bolan’ny fitondram-panjakana.
Laharam-pahamehana eny ifotony
Anisan’ny hofaritana manomboka izao, amin’ity andiany manaraka ity, ny tena laharam-pahamehan’ireo kaominina ka nanatrehin’ireo ben’ny Tanàna manodidina izao fampahafantarana izao. “Misy ny sivana sy ny famaritan’ireo kaominina ny tetikasany, araka ny filana eny ifotony. Miainga amin’ny fokontany sy ny fokonolona izany ary tokony hanaraka ny drafitra fanajariana ny tany”, hoy ihany izy. Nanteriny koa fa efa ao anatin’ity andiany fahefatra ity ny fametrahana fotodrafitrasa, afa-miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro. Nanteriny fa jerena koa ny vahaolana momba izany hisorohana ny mety ho fahasimban’ny fotodrafitrasa, ny toerana tokony hametrahana izany. Eo koa ny hamaroan’ireo mpisitraka ny tombontsoa ary ny fahafehezana ny fikojakojana izany.
Synèse R.