Fiofanana Hope tany Mahajanga: Nampahafantarana ny tanjona mila tratrarin’ny zatovovavy

Anisan’ny voaasa manokana nanatrika ny lanonam-pankalazana ny Andron’ny 8 marsa sy nitondra ny hira “Efa niova” ny Cabinet Henka Suru. Lasa hira fanevan’ireo zatovovavy miisa 300 io hira io taorian’ny roa andro nanaovana ny fiofanana.

Namaranana ny fankalazana ny Andro maneran-tany momba ny zon’ny vehivavy, ny faran’ny herinandro teo, tany Maha­janga, ny fiofanana “Hope” niarahan’ny fikambanana Fitia sy ny Cabinet Henka Suru. Nanatrika ny fiofanana ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy, izay reny mpiahy ihany koa ireo andiany “Hope” nanaraka fiofanana. Ankizivavy mpianatra avy amin’ny kolejy sy Lycée ao Mahajanga miisa 300, eo anelanelan’ny 10 hatramin’ny 21 taona, nanaraka ny fiofanana nandritra ny roa andro, tao amin’ny Akory Aly Maison de la culture Mahajanga. Fio­fanana “Hope” faharoa niarahan’ny Henka Suru sy ny fikambanana Fitia ity natao tao Mahajanga ity. Tao amin’ny Havoria Anosy – Anta­nanarivo ny andiany voalohany ka ireo vehivavy vadina mpitandro filaminana no nisitraka izany. Anjaran’ireo tovovavy ny niofana ho an’ny andiany faharoa tao Maha­janga.
Nampitondraina ny lohateny “Soratako ny hoaviko” ny fiofanana ary nisy fizarana telo mazava. Teo ny fampivoarana ny mahaolona, nahafahana na­nome lanja ny tena (saina, fo ary vatana), fanajana ny tena (ny fikolokoloana azy, ny herin’ny Safidy) ary ny fanomezana lanja ny maha olona. Notran­drahina koa ny talentan’ireo ankizy sy tanora tamin’ny feo, ny fihetsika sy ny fahaizana.
Noresahina ny haitarika nifantoka tamin’ ny safidy sy ny zo, ny tanora vehivavy mpitarika, ny toetra tokony hananana, ny fanamby sy ny hoavy. Nandritra ny famaranana, notoloran’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika mari-pankasitrahana izy 300 mirahavavy.
Nisy ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo solontenan’ny mpiofana ny amin’ny tombontsoa sy fiovana nentin’ny fiofanana teo amin’izy ireo: ny fahatokisan-tena sy ny fahafantarana ny tanjona, ny safidy hiatrehany ny hoaviny.

Vonjy

Partager sur: