Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, omaly. Anisan’ny nambaran’izy ireo, tamin’izany, ny fisaorany ny eo anivon’ny solontena maharitry ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) tamin’ny alalan’ny famatsiam-bola azo tamin’ny farany teo. Efa nanoratra mialoha tany amin’ity rafitra ara-bola maneran-tany ity rahateo ny antoko MMM. Na izany aza, hentitra ny fanambaran’izy ireo. “Maneho ny ahiahinay izahay amin’ny fampiasana ny vola. Tsy mamaly akory ny laharam-pahamehana sosialy eto amin’ny firenena izany”, hoy izy. Natsidiny fa mety hampitombo ny fahantrana ny tsy fahaiza-mitantana, indrindra amin’izao fampihenana ny fanampiana avy amin’ireo mpiara-miombona antoka izao noho ny toe-draharaha iraisam-pirenena.
Etsy andaniny, tohanan’ny MMM ny fangatahan’ny fiarahamonim-pirenena ny amin’ny tokony hampiatoana ireo tetikasa tanterahin’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao. Noraisin’izy ireo ho ohatra amin’izany ny lalambe migodana, Antananarivo-Toamasina.
Synèse R.