Hiverina tsy ho ela eny amin’ny fokontany ny lisi-pifidianana nasiam-panavaozana, araka ny nambaran’ny mpampankatenin’ny Ceni, Soava Andriamarotafika.
“Mbola afaka mangataka fanitsiana ireo olom-pirenena mahita fahadisoana amin’ny mombamomba azy ao anatin’izany lisi-pifidianana nasiam-panavaozana izany”, hoy izy. Nambarany fa hifarana sy hikatona tanteraka any amin’ny 15 mey any ho any izany lisitra izany. Na izany aza, mbola misokatra ho an’ny rehetra ny lisitra, ahafahan’ny rehetra manamarina ny tokony hahitsy.
Etsy andaniny, nambarany fa nitombo hatrany amin’ny 12 tapitrisa mahery ny isan’ny mpifidy manerana ny Nosy, rehefa niampy ireo olom-pirenena vaovao nisoratra anarana amin’izany lisitry ny mpifidy izany. Miisa 319 000 izy ireo raha ny tatitra vonjimaika nambaran’ny eo anivon’ny Ceni. “Niakatra hatrany amin’ny 2,75% mahery izany raha oharina tamin’ny lisi-pifidianana teo aloha. Miisa 11 tapitrisa mahery ireo mpifidy tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna farany teo iny “, hoy ihany izy.
Fanentanana ireo ben’ny Tanàna
Ankoatra izany, mbola mitohy koa ny fampidirana anaty lisitra ireo feno taona, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny CED, rantsan’ny Ceni any amin’ny distrikan’Andramasina. Nanentana ireo ben’ny Tanàna miisa 14 any amin’iny faritra iny izy ireo mba hampita izany amin’ireo olom-pirenena eo ambany fiadidiany. Nampahatsiahy koa izy ny hanamarinan’ny olom-pirenena ny momba azy amin’izao fiverenan’ny lisitra eny anivon’ny fokontany izao .
Synèse R.