Vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA), vehivavy tanora miisa 20 no notolorana mari-piofanana tamin’ny sehatry ny tourisme villageois, tany Mahajanga, ny faran’ny herinandro teo. Nisitraka « kit de démarrage », ahitana spatule, rouleau, bol inox, moule à pain, lafaoro gasy, machine à pâte professionnelle ary balance de cuisine électronique koa izy ireo. Tanjona ny hanomezana fahalalana sy fitaovana hanampy ireo tanora hiditra amin’ny sehatry ny asa. Indrindra koa ny hananan’ireo vehivavy lasibatry ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy vahaolana amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fampirisihana azy ireo handray anjara amin’ny sehatra ara-tsosialy sy ara-toekarena.
Nitarika ny hetsika ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana araka asa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, notronin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena.
Mitohy hatrany ny ezaka hampiroboroboana ny fahaiza-manao sy ny fampananana asa ny tanora, izay manamafy ny maha fototry ny fampandrosoana maharitra ny fanofanana araka asa.
Vonjy