Lasa aiza ny rainareo? Lasa niasa izy! Na ny tany hasaina aza tsy misy akory. Rakoto rahateo tsy nankany an-tsaha fa handeha any amin’ny biraony. Maro ny teny malagasy nanjary niova dika na hevitra tahaka izany. Manomboka voatohintohina ny hasin’ny teny malagasy. Fahiny, raha miteny hoe «asa», tsy afa-misaraka aminy ny «tany, saha, fambolena…». Tahaka izany koa ny hoe «veloma». Raha tsodrano manao hoe : «veloma ny aina» no heviny, fahiny. Ankehitriny, adikan’ny Malagasy ho «fisarahana». Very ny hasin’ny teny malagasy. Ny johary, milaza masoandro fahiny. Mijanona hatreo amin’ny anaran-dehilahy sisa no ahalalan’ny Malagasy azy. Hany ka tsy misy dikany na heviny ho azy ny «kintana mialoha johary». Ny mitondra ny anarana johary aza tsy afa-miaina amin’ny maha hazavana sy hafanana ary fahefana tsy miangatra azy. Very ny hasin’ny teny malagasy.
Ny famerenana ny fahalalana tahaka ireny no mila omena lanja sy vahana amin’izao vanim-potoana izao. Ilaina ny famoahana dikan-teny vaovao, saingy, tsy laharam-pahamehana manoloana ny famohazana ny hery sy hasin’ny teny malagasy. Maro tsy tambo isaina ny teny malagasy tsy heno intsony ankehitriny. Matetika anefa, any amin’ireny no mitoetra ny hasin’ilay teny.
… Mahavariana! Nozanahan’i La Frantsa, hono, ny Malagasy. «Nozanahana», izany hoe, natao na noraisina tahaka ny zanaka. Tena izay tokoa ve ny zava-nisy tamin’izany?
HaRy Razafindrakoto