Vita izay ny kifetifety sy ny fanehoana amin’ny endrika ivelany ny fitakiana ny zon’ny vehivavy. Fotoana izao ho an’ny asa misy fiantraikany mivantana. Indrindra manoloana ny firongatry ny herisetra etsy sy eroa. Tsy afaka ny mitazam-potsiny ny olom-pirenena tsirairay fa mila sahy mijoro sy maneho fa manan-kery hanoherana ny ratsy.
Fotoana izao tsy maintsy hijoroana hiadivana amin’ny asan-jiolahy amin’ny endriny samihafa. Tsy voatery hiandry an-dranona na ranona. Tena mitaky fahasahiana eny anivon’ny isan-tokantrano sy ny isan-tanàna ny zava-miseho. Sanatrian’ny vava hoe hamono tena, fa mitaky ny firaisan-tsaina sy firaisankina mihitsy ny ady. Ireo zaza amam-behivavy rahateo no mizaka ny tsy eran’ny aina.
Ny mampalahelo amin’izao fotoana izao, zary miraviravy tanana sy mialangalana ny olon-drehetra: ny aza mba voany ihany! Tena tsy misy mahasahy mihetsika fa aleo miforitra sy manaiky ny ramatahora. Matetika tsy mirongo fiadiana akory ry zalahy, fa ny horohoro no lasa aloha, ka tsy afa-mandinika intsony ny tokony ho fihetsika.
Iaraha-mahalala fa ny renim-pianakaviana sy ny zaza no zary kamboty tsy satry! Mila mijery akaiky ny zava-misy eny ifotony. Ekena fa ilaina ny tari-dalana avy amin’ny manam-pahaizana manokana momba ny filaminana, saingy matetika tsy mifanaraka amin’ny hodidina isam-paritra ny fepetra na ny paikady.
Na izany aza, mila tari-dalana sy fampirisihana ny vahoaka. Mahavarina sy mampametra-panontaniana indraindray ny mahita fokonolona iray tanàna tsy sahy manohitra dahalo efatra na dimy. Mbola mahavita mampahandro sakafo sy hamonoana akoho amam-borona, mialoha ny handrobany sy hakana an-keriny. Diso marefo tokoa anie!
Raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao dia olana faobe ara-tsaina no mahazo ilay Malagasy tsivakivolo. Tsy an-dRenivohitra fa hatrany ambany ravinahitra rehetra any!
r.r