Tsy misy fanavahana ny fandraisana sy ny fikarakarana ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’ny orinasa Star. Voakasik’izany ny asa atao sy ny fitazonana andraikitra, na eo aza ny ilana fahaizana ara-teknika sy tanjaka ara-batana sasany. Miisa 5 ny vehivavy tale ao amin’ity orinasa ity, ary mpikambana ao anatin’ny komity mpitantana ny roa amin’izy ireo.
Niompana tamin’ny hetsika telo, ny fomba nanamarihan’ny vehivavy mpiasan’ny orinasa Star, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Zon’ny vehivavy, ny 8 marsa teo. Nanao fambolen-kazo tany amin’ireo akany fitaizana zaza, fizarana fitaovam-pianarana teny amin’ny sekoly eny ifotony ary fanomezan-danja ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Ho an’ity farany, notolorana fandriana sy kidoro ny CHU Antsiranana, mitentina 18 tapitrisa Ar. Notolorana zavatra ilaina andavanandro (PPN) ny vehivavy voatazona any am-ponja.
Miady amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny fanararaotana ara-nofo ny Star. Azon’ny mpiasa atao ny mitoroka an-kalalahana ao anatin’ny fanajana ny tsiambaratelo, mba hiasa anaty tontolo tony sy milamina.
Njaka A.