Rakotobe Kristinà: Malagasy voalohany hiatrika ny “March Madness”

Noho ny fandresena azon’ny ekipany UNC Greensboro tamin’ny fifaninanana “Tournoi de conférence”, ny faran’ny herinandro teo, nahazo ny tapakila hiatrehana ny “March Madness”, ny Malagasy mpilalao basikety, Rakotobe Kristinà. Izy no Malagasy voalohany hiatrika ity fifaninanana anisan’ny goavana ho an’ny basikety amerikanina eny anivon’ny Oniversite ity. Lalao goavana fanao isan-taona ho an’ny Oniversite any Amerika, ny “March Madness” ary ekipa 68 no mifaninana amin’ny alalan’ny fifanintsanana mba ha­hazoana ny anaram-boninahitra. Io fotoana io ihany koa no fotoanan’ny mpilalao NBA hijerena ireo mpanao basikety ao Amerika manana talenta sy vao misandratra kanefa efa mi­songadina. Anisan’ny manana vintana amin’izany i Kristinà izay anisan’ny singa iray mitondra fandresena ho an’ny ekipany.
Tsiahivina fa hanomboka amin’ity tapaky ny volana marsa ity ny fifanintsanana, hizara ho fihodinana voalohany, fihodinana faharoa, ampahavalon-dalana, ampahefa-dalana ary ny dingana famaranana hatao ny 7 avrily 2025, any San Antonio. Tsara ny manamarika fa ekipa tompondaka tao amin’ny kaonferansa misy azy ny ekipa 32 mandray anjara amin’ity fifaninanana “March Madness” ity. Ekipa safidian’ny komity arakaraka ny fahaiza-manaony kosa ny ekipa 36 ambiny. Manamarina izany fa ekipa manana ny maha izy azy ny ekipa misy an’i Kristinà satria tompondakan’ny kaonferansa ka nahazo avy hatrany ny tapakila.

Mi.Raz

Partager sur: