Seranan’Ivato: Vehivavy ny 60% ny komity mpitantana

Toerana sahaza hamantaran’ny mpanjifa ny sehatry ny fifamoivoizana ny seranam-piaramanidina. Nanao hetsika manokana ny orinasa Ravi­nala Airports, mitantana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato Antana­narivo, ny sabotsy 8 marsa teo, nankalazana ny Zon’ny vehivavy. Nisy ny rantin-tsary tao amin’ny efitrano malalaka fandraisana ny mpandeha, nantsoina hoe « Briller pour soi » hanomezan-danja ny vehivavy malagasy, niarahana tamin’ny Rouge Emoi. Na­son­gadin’ny sary tsirairay ny fahombiazan’ny vehivavy tsirairay, ny aingam-panahiny, ny fiatrehany ny zava-misy
eo amin’ny fiarahamonina, sns.
Nilaza ny tale jeneraly (DG) ny Ravinala Airports, Daniel Lefèbvre, fa “maro ny vehivavy mandray anjara amin’ny fampandehanana ny fotodrafitrasa ao amin’ny seranam-piaramanidina. Toy ny any amin’ny fanomezana antoka ny mpanjifa, ny fitrandrahana, ny mahakasika ny injeniera, ny fitantanana, ny tolotra ho an’ny mpanjifa, sns. Mampiseho ny maha matihanina izy ireny, maneho ny fahaiza-manaony. Vehivavy ny 38,49 % ny mpiasa, ka any amin’ny asa birao no tena ahitana azy ireo (48,21%) ary vehivavy ny 60% ny mpikambana any anatin’ny komity mpitantana”.
Nambaran-dRafalimanana Oly, nanangana ny Rouge Emoi, fa « fitaovam-piadiana mahomby hanovana ny olona sy ny zavatra am-pilaminana ny kolontsaina ».

Njaka A.

Partager sur: