Hiditra amin’ny dingana manasa-dalana, ny faran’ny herinandro izao, ny fiadiana ny tompondakan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra, taranja basikety, eo amin’ny sokajy N1B sy U16. Anisan’ny hifandona amin’izany ny ekipan’ny ASSM sy ny NBE, eo amin’ ny sokajy latsaky ny 16 taona, lehilahy, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina.
Anisan’ny nitondra ny anjara birikiny ny ekipa nasionaly vehivavy, taranja karate, nandritra ny fankalazana ny Andron’ny vehivavy tany Antsirabe, ny 8 marsa teo. Nanatanteraka fampisehoana niavaka sy Kata izy ireo nandritra ny hetsika nokarakaraina tany an-toerana. Mandaloany Antsirabe ireo ekipa nasionaly amin’izao miatrika fampivondronana.
Notontosaina ny alahady farany teo, teny Ambohidava, ny fifanintsanana amin’ny hazakazaka kodiaran-droa “Moto enduro”, 4H Honda. Nanjakan’i Lucas Robert sy Razafimahefa Miaro ny fifaninanana. Laharana faharoa kosa ilay Malagasy fanta-daza, Claudio Tida. Tsara marihina fa tsy tafiditra anaty fifaninanana nasionaly ny 4H Honda.
Hotanterahina manomboka anio ny fihaonana miverina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions 2025”. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro amin’izany ny fihaonan’ny Liverpool FC, anglisy, sy ny Paris Saint Germain FC, France. Tsiahivina fa any Angleterre no hatao ny fifanandrinana.