Raha samy hamerina ihany, aleo hajaina ny fototra. Amin’ny zavakanto, sarotra (na tsy hisy mihitsy) ny hitovy tanteraka. Na izany aza, misy ny fototra. Mila hajaina ireny. Ny hira, dihy, ohatra, manana ny fotony. Raha io no niova na nokitihina, maro ny fiovana aterany. «Ry lanitra mangamanga ô», ohatra, no lasa «Ny lanitra mangamanga e !». Efa misy fototra (hasina) tsy tafapetraka ao.
Hiverina ny “Tapôlaka Glady”! Vaovao lehibe ho an’ny mpankafy an’i Rossy manokana sy ny mozika malagasy amin’ny ankapobeny. Hotontosaina ny 9 jona izao, etsy amin’ny Coliseum izy ity. Hifanome tanana amin’ny fikarakarana ny Cool Concept, Ivenco ary sary sy Feo.
Hisy fifaninana poezia sy jijy, ao amin’ny Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina Masinjara, Ambatondrazaka. Misokatra ho an’ireo rehetra manan-talenta amin’izany ny fifaninanana, izay hatao mandritra ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny poezia, ny zoma 21 marsa, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany.
“Jazz Fiderana”. Seho iray homanin’ny Jazz Club ao amin’ny CGM Goethe Zentrüm izy ity, izay hatao ny 16 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny FJKM Kristy Velona Andavamamba. Hitety ireo hira fiderana, lalaovina jazz ireo mpikambana ao amin’ny Jazz Club mandritra izany.