Nosamborin’ny zandary ilay vehivavy nidaroka ny rahavaviny tamin’ny alalan’ny tavoahangin-dabiera teny Ampasapito, afakomaly. Niara-nisotrosotro izy mirahavavy ka nifamaly tampoka. Niafara tamin’ny fikasihan-tanana izany. Novelesin’io vehivavy io avy hatrany ilay zandriny ka voa mafy. Nentina teny anivon’ny mpitsabo ity farany. Atao famotorana kosa ilay nahavanon-doza.
Lehilahy malagasy iray maty noleran’ny namany zava-maranitra tao amin’ny torapasika Pointe-aux-Sables, afakomaly. Olona miisa roa ahina ho nahavanon-doza ka manokatra fanadihadiana lalina momba izao raharaha izao ny sampandraharaha manokana misahana ny heloka bevava any an-toerana.
Maty voatifitra ny mpangalatra moto nifanenjehan’ny zandary tao amin’ny kaominina Talata Volonondry, ny sabotsy 8 marsa teo. Tratra tao amin’ny sakaizan’io lehilahy io ny moto very nandritra ny alim-pandihizana. Nentina natao famotorana koa ilay nanao ny halatra. Nikasa handositra ity farany rehefa naka ny basy teny amin’ilay zandary. Vokany, maty voatifitra izy.
Sivy mianadahy tra-tehaka teo am-pamakiana fasana teny an-tampon’Ambohimanoha, kaominina Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo, ny alakamisy 6 marsa teo. Tafaporitsaka ny iray tamin’ireo voarohirohy. Matetika hitrangana vaky fasana eny amin’ity kaominina ity ka nahatonga ny fokonolona niray hina nisambotra ireto olona 9 ireto.