Tsipy kanetibe : Hanomboka ny 15 marsa izao ny taom-pilalaovana

Araka ny tetiandron’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM), hanomboka ny sabotsy 15 marsa ho avy izao ny taom-pilalaovana 2025. Homarihina amin’ny alalan’ny fifaninanana ho an’olon-telo miaraka izany. Fihaonana hatao ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao. Tsy toy ny mahazatra fa hampiantrano izany ny kianja vaovao eny Soamandrakizay Androhibe.
Mampiavaka ity fanombohana ny fifaninanana ity ny fahazoan’ny rehetra mandray anjara, izany hoe, tsy misy kara-pilalaovana fa misokatra ho an’ny daholobe. Hahazo amboara sy lelavola 2 000 000 Ar ny voalohany eo amin’ny sokajy Senior, lehilahy. 1 000 000 Ar sy medaly ny faharoa ary 5 00 000 Ar ny fahatelo sy fahefatra. An­drasan’ny rehetra ny fihaonana eo amin’ity sokajy ity satria hifanandrina amin’ireo mpilalao niatrika ny “Mondial” sy ireo nanao ny “Tournoi estival” ary ny “Masters” tamin’ny taon-dasa ny mpilalao nijanona teto an-toerana.
Ankoatra izay, hisy ihany koa ny fihaonana eo amin’ny vehivavy sy ny Jeune ary ny Vétérans”. Lalao ho an’olon-telo miaraka ihany koa ny azy ireo. Mitovy avokoa ny loka horaisin’izay tompondaka amin’izany. Hotolorana lelavola 750 000 Ar sy amboara ny voalohany. 300 000 Ar miampy medaly ny faharoa raha 100 000 Ar ny an’ny fahatelo sy fahefatra.

Tompondaka

Partager sur: