VAOVAO TAMBATRA

Efa misokatra ny fifamoivoizana eo amin’ny « radier », PK 90, amin’ny lalam-pirenena faha-10, eo Ankidona Betioky. Manatanteraka ny asa ny orinasa misahana ny fanamboarana, ka efa voatototra vato ilay « radier » simba. Efa miomana hanarina ny any Ma­hariry, PK 187 sy Renosy PK187 ihany koa ny orinasa. Miandry ny fihenan’ny rano kosa vao afaka jerena ny fahasimbana any amin’ny RN13, Ikalamainty-Ambo­vombe-Taolagnaro.

Mpanodina ronono any Vakinankaratra ny orinasa Antsaha Laiterie. Mahatratra 750 l isan’andro ny ronono azony, hahodina ho formazy sy dibera. Misy
ny fiaraha-miasany amin’ny tantsaha mpiompy ombivavy be ronono, amin’ny alalan’ny tetikasa Lait Solidaire. Ity farany izay manome fanampiana ara-pitaovana
sy fanofanana ara-teknika ny mpiompy hanatsarana
ny famokarana sy hampitomboan’izy ireo ny fidiram-bolany.

Mitentina 8,7 tapitrisa dolara ny tetikasa Fier. Famatsiam-bola avy amin’ny Pnud, ny Onudi ary ny UNCDF, entina hampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina. Entina hanohanana ara-teknika sy ara-bola ny orinasa madinika sy salantsalany (PME/ Start up), manana tetikasa izany. Mifanandrify amin’ny hanatrarana ny tanjon’ny Firenena mikambana (ODD7), hametrahana angovo maharitra, madio, maoderina, takatry ny besinimaro.

Partager sur: