Caisse Ecole: Mitentina 65 miliara Ar ho an’ny EPP sy CEG, ary lycée

Efa voarain’ny sekoly avokoa ny tetibola ho amin’ny « Caisse école » amin’ity taom-pianarana 2024-2025 ity. Manodidina ny 65 miliara Ar ny vola ho an’ny EPP, CEG ary Lycée.

Nitondra fanazavana ny tale misahana ny fanadinam-panjakana sy fanamarinana mari-pahaizana ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Ran­drianarison Tinaina Edinah, mahakasika ny “Caisse école”. Tetibola entina mampandeha ny fiainan’ny sekoly eny amin’ ny EPP sy CEG ary Lycée iadidian’ny fanjakana ny “Caisse école”.
Ho an’ity taom-pianarana 2024-2025 ity, nanomboka tany amin’ny volana oktobra no afaka naka izany vola izany tany amin’ny tahirimbolam-panjakana ny Feffi ary nifarana ny volana febroary teo izany.
Tonga ara-potoana teny amin’ny sekoly ny vola hampandehanana ny filany. Ny ray aman-drenin’ny mpianatra dia tafiditra ao anatin’ny mpitantana izany Feffi izany. Miakatra eny amin’ny rafitra isan’ambaratongan’ny fitantanan izany. Misy ny rijantenin-dalana mi­fehy ny fandaniana io “Caisse école” io.
Manodidina ny 48 miliara Ar ny vola natokana ho an’ ny EPP miisa 26 565. Mitentina 10 miliara Ar kosa ho an’ny CEG 2 819 ary 8 miliara Ar mahery ny an’ny Lycée miisa 582
Fivoriamben’ny ray aman-drenin’ny mpianatra no manapaka ny tetikasa hampiasana ny vola mialoha ny fidirana no hanapahana azy. Izay voasoratra ao ihany no hampiasana ny Caisse école. Tokony hisy foana ny tatitra ataon’ny sekoly amin’ny ray aman-dreny amin’ny fandaniana rehetra hisian’ny mangarahara.
Etsy andaniny, nisy koa ny “Cantine scolaire”, fampisakafoana ny ankizy an-tsekoly. Teo amin’ny 8 miliara Ar ny tetibola nomen’ny fanjakana notsinjaraina teny amin’ny sekoly. Sekoly 1 000 mahery no nahazo izany fampisakafoana ny ankizy izany.
Mampazoto ny ankizy ny famahanana azy ireo ary mampifantoka kokoa ny sainy rehefa voky. Niakatra ny tetibola satria lasa 17 miliara Ar izany ary nampitomboina koa ny sekoly hisitraka azy.
Mampihatra ny fampandraisana andraikitra ny vondron’olona eny ifotony ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Samy tomponandraikitra amin’ny fampandehanana ny fanabeazana ny rehetra.

Tatiana A

Partager sur: