Dimy mianaka notafihin’ny jiolahy mitam-piadiana tao Antamponivinany Ambositra, ny alin’ny talata 10 marsa teo. Lasibatra ny volabe.
Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tao Antamponivinany Andrefantsena Ambositra, ny alin’ny talata 10 marsa teo. Roa lahy nandroba tokantrano iray fonenan’ny tomponandraikitry ny fikambanana AMMF na « fikambanana Miara-miezaka ho an’ny fampandrosoana ». Niditra an-keriny tao amin’ilay trano fonenan’io raim-piakanaviana io, nanambana basy avy hatrany ireo olon-dratsy. Nitaky ny vola ry zalahy. “Nitondra basy sy antsy ireo roa lahy araka ny fanazavan’ireo niharam-boina nandritra ny fametrahany fitoriana”, hoy ny fanazavan’ny kaomisera miandraikitra ny fanadihadiana. Tsy afa-namaly noho ny tahotra ny hamonoan’ireo tsy mataho-tody azy ilay lasibatra. Notakin’ireo tsy valahara ny vola tany amin’ilay fianakaviana lasibatra. Ny vola izay efa tsara afina tao anaty sakaosy saingy tsy maintsy nanome noho ny tahotra. Nandositra avy hatrany ireo mpandroba niaraka tamin’ny lelavola mitetina 200 000 000 Ar. Nahare ny zava-nisy, nidina ifotony nanao famotorana momba io tranga io ny zandarimaria sy ny polisim-pirenena miasa ao Ambositra.
Tsy mbola voasambotra
Anatin’ny fanadihadiana lalina, mikaroka ireo nahavanon-doza marina tamin’io vaky trano niharo fandrobana vola an-tapitrisany io ny polisim-pirenena miasa ao Ambositra. “Tsy misy vaovao azo hampita hatreto. Manantanteraka ny famotorana lalina izahay”, hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny polisy misahana izany. Marihina, tsy nisy nahetsika ireo dimy mianaka tao amin’ilay tokantrano niharan’ny fandrobana tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo olon-dratsy. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.