Nohainoin’ny mpitsara eo anivon’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly nandritra ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata 11 marsa teo ireo voarohirohy. Zandary miisa fito nalefa eny Tsiafahy ary iray hafa manaraka fitsaboana. Sivily miisa efatra hafa nohazonina eny amin’ny fonjan’Antanimora izay samy voasaringotra tamin’ny raharaha fanodinkodinana Cocaïne 250 kg. Kaomandin’ny vondron-tobim-paritra ao Nosy Be Hell ville ny iray amin’ireo voatazona ireo. Tsiahivina, nentina vehivavy miisa roa tao anatina valizy roa ny Cocaïne nilanja 250 kg, ny volana aogositra 2024. Nogiazana ireo rongony mahery vaika ireo saingy tsy nifanaraka tamin’ny tatitra an-tsoratra noraiketin’ny zandary ny vokatra azo. Nanjavona ny 200 kg tamin’ireo entana tra-tehaka. Niditra an-tsehatra tamin’ny fanadihadiana lalina ny solontenan’ny polisy eo anivon’ny DPJ sy ny fitsarana miady amin’ny kolikoly. Tafakatra 14 ireo voasaringotra ka zandary ny valo. Niafara amin’ny fihazonana am-ponja azy ireo izany.
Tsiferana R.